Tsy nisy nandritra ny 6 taona… : Hiverina indray ny “Star Tour Majunga”

Voakasiky ny hetsika na ny tompontany na ireo mpiala sasatra. Hiverina ary haharitra 3 andro misesy ny “Star Tour 2025” ao Mahajanga. Tsy hiova kosa ny endriny.

“Star Tour Majunga 2025: hoan’ny mpianakavy”. Nampahafanta­rina omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Star Andraharo, ny andinin­dininy momba ny hetsika. Hotontosaina ny 15, 16 ary 17 aogositra izao izany, eo amin’ ny Bord Mahajanga. “Araka io lohahevitra io, hatao hoan’ny rehetra ny hetsika: ny mpianakavy na kely na lehibe ary na tompontany ao Mahajanga na vahiny mamonjy ny ranoma­sina sy ny hafanana amin’izao fialantsasatra izao”, hoy ny nambaran’i Setra Ramanan­koraisina, tomponandraikitry ny hetsika ao amin’ny Star.
Ny hampiavaka azy voa­lohany indrindra dia ny fiverenan’ny “Star Tour” indray ao Mahajanga. “6 taona no nijanona ny hetsika tany. Teo ny fotoanan’ny Covid tsy nahafahana namory olona. Nisy ny antony avy taty aminay koa, kanefa araka ny valin’ny fanadihadiana nataonay, efa an­drasan’ny maro ny Star Tour any an-toerana ka izao have­rina izao”, hoy hatrany ny fanazavana.
Raha toa ka roa andro ny hetsika taloha, ny zoma 15 aogositra dia efa hanomboka kosa izany eo amin’ny Bord. Hanokatra azy ny fanenta­nana eo amin’ny sehatra lehibe sy eny amin’ny Epace pression, hataon-dry Fou Hehy, Teg ary Bahrone. Arahin’ny fampandihizana hafanain’ireo mpikosoka kapilan’ny Star, toa an-dry Dh Three T, Dj Looping ary Dj Eloi.
Ny sabotsy 16 aogositra kosa no miditra an-tsehatra voa­lohany ireo mpanakanto, ahitana an’i Ckycky sy Black Nadia. Ny alahady ilay famaranana andrasan’ny rehetra, Ceasar sy ny tarika Ambon­dronA.
“Ho hita any avokoa ireo singa mandrafitra ny Star Tour, toy ny kerimesy, izay hisy lalao ho an’ny ankizy. Ny Espace pression ho an’ireo mankafy manokana izany ary ireo tranoheva hanome tolotra isan-karazany. Toa ny hetsika rehetra karakarain’ny Star, zava-dehibe indrindra ny fitandroana ny filaminana amin’ireo fotoana ireo. Tsindrina manokana koa ny lafiny fahadiovana, ary tafiditra anatin’izany ny fanentanana Kopakelatra, izay hatao hanangonana ireo tavoahangy plastika efa niasa”, hoy kosa i Avoko Ra­ma­nitrarivo, tomponandraikitry ny serasera.

Zo ny Aina

Partager sur: