Mandalo an-tanindrazana : Hihaona indray amin’ireo mpankafy azy i Njila

Njila, Poopy ary Mahery. Fiarahana nety ka hotohizana, araka ny fangatahan’ny mpankafy. Efa tonga hiatrika izany i Njila.

«Revy Njila zato isan-jato». Mahalaza be ny lohatenin’ny fampisehoana, izay hotontosaina ny 31 aogositra izao, ao Antsahamanitra, izany. Niga­dona omaly, eto an-tanindrazana, i Njila hanomana io fotoana nomeny ny mpankafy azy io. «Hiran’i Njila avokoa no hatao mandritra ny seho. Ireo hira voalohandohany, mandalo ireo nanombohan’i Poopy nihira, hatramin’ireo nampalaza ny tarika Njila tany amin’ny taona 80 sy 90 tany izany», hoy ny nambaran’ny mpikarakara avy ao amin’ny Natiora Production.
Hiray sehatra amin’i Njila, mandritra io seho io, i Poopy sy i Mahery. Toerana manan-tantara ho an’ireto mpanakanto ireto rahateo Antsaha­manitra, indrindra ho an’i Poopy sy Njila izay nahita ny karazam-pahombiazana tao. Nanjohy azy ireo hatrany ny mpankafy nandritra ny 40 taona teo, ary niampita ta­min’ireo taranaka ny fankafizana ilay «Revy Njila».
Anisan’ireo mpankafy tany am-boalohany, avy eo nanam-bintana nampiara-peo tamin’i Njila i Mahery, ao amin’ny tarika Johary. Taona vitsivitsy lasa izay no nanomboka ny fampiarahana talenta izy ireo, ary mitohy hatramin’izao izany. Efa nanao fampisehoana maromaro tany ivelany, hatrany Etazonia, izy mirahalahy.
Efa nahita ny sombin’ity fiarahana ity ireo tsara vintana nanatrika ny fampisehoana nentina namaranana ny 40 taona an-tsehatr’i Poopy, tamin’ny taon-dasa. Sombiny satria ity vao seho Njila ranoiray, araka ny nangatahan’ny mpankafy tamin’izany. Avy hatrany dia hiatrika ny famerenana miaraka amin’ireo mpitendry hiray sehatra aminy ry Njila, Poopy ary Mahery.

Zo ny Aina

Partager sur: