Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny «Jazz@ Tohatohabato». Tanterahina anio, ny «Jazz Quartier». Hitety toerana maro eto an-dRenivohitra ny mpikambana ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ, hanatanteraka seho. Hiala eo amin’ny Araben’ ny Fahaleovantena Analakely, amin’ny 1 ora tolakandro. Hiakatra ny tonelina Ambanidia ka handalo an’Antsahabe. Tonga eo Ambanidia. Hihazo an’i Mandroseza. Ho tonga any amin’ny toerana malalaka, ao aorian’ny Gastro Pizza eny Alasora (manatrika ny Total), amin’ny 3 ora tolakandro.
Amin’ny ankapobeny, ity «Jazz Quartier» ity no anisan’ny mitondra fivelarana lehibe ho an’ny tontolon’ny jazz, eny anivon’ny fiarahamonina. Tanjona ao anatiny rahateo ny fampahafantarana sy fampitiavana azy io ho an’ny rehetra. Ankoatra izay, imasoan’ny Jazz Club CGM/GZ ny haneho ireo kanto (feo, rindran-javamaneno, aingam-panahy…) fonosin’ny jazz sy hanolotra izany ho an’izay mahita ny seho ataon-dry zareo.
Fantatra fa tao anatin’izay 14 taona nisian’ny« Jazz@ Tohatohabato » izay, namoha talenta maro ny «Jazz Quartier». Tsy vitsy ny ankizy sy tanora no manatona sy mitafa amin’ireo mpitendry na mpihira, mialoha na aorian’ny seho. Ao ireo mifanakalo traikefa avy hatrany. Misy ny manongilan-tsofina miezaka ny mandray izay ampitaina avy eny an-tsehatra.
HaRy Razafindrakoto




