Mitombo ireo azo tsidihina ao anatin’ny Lapa Manjakamiadana. Nampahafantatra ny sampandraharaha misahana an’Anatirova fa azo tsidihina ao amin’ny rihana faharoa. Ahitana ny medaly sy ny samboady, ny mariky ny fahefana sy ny fiandrianam-panjakana, ny medaly nandritra ny vanim-potoa ka faha-mpanjaka nifanesy, ny tombokase ampiasaina amin’ny lafiny fitantanana sy fifandraisana ara-diplomatika, ao an-toerana. Eo koa ireo tombokase tamin’ny vanim-potoana faha-mpanjaka nifanesy, ary ireo fifanekena izay vavolombelon’ny fifandraisana ara-diplomatika nataon’i Madagasikara tamin’izany. Tanjona amin’ny fampirantiana ny hampahafantarana bebe kokoa ny fahefana faha-mpanjaka, amin’ny alalan’ireo singa manan-tantara. Mety ho zava-baovao ho an’ny maro izany, no hanampy ny tantara izay nampitaina hatramin’izay koa. Araka izany, misokatra ho an’ireo sekoly, mpikaroka, mpizahatany, vahiny na teratany, sy izay rehetra liana amin’ny tantaran’i Madagasikara ny fampirantiana vaovao. Mbola eo hatrany kosa ireo fampirantiana hatramin’izay, manamafy ny tantara voarakitra amin’ny maha tranombakoka ihany koa ny Rova. Tsara fitontona ny fisian’ny fampirantiana vaovao, satria anatin’ny vanim-potoana fialantsasatra toy izao no mahamaro ihany koa ny mpitsidika, na mpizahatany vahiny, na avy any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy.
Zo ny Aina




