Rajery sy Raul Rodriguez : Mampivady ny mozika miaina sy ny Flamenco

Fisokafana hafa indray ity, izay manaporofo fa kanto iraisan’ny zanakolombelona ny mozika. Ny mozika malagasy entin-dRajery, laroina amin’ny mozika flamenco voizin’i Raul Rodriguez, izay manome lokona mozika iray vaovao.

Rajery sy ny valiha andaniny, Raul Rodriguez sy ny gitara, ankilany. Izay rehetra nahita sy nandre ny sombin’ny fampiarahana ta­len­tan’izy ireo dia samy vakivava avokoa: mozika vaovao mambabo ny fanahy. Vaovao lehibe no nambaran-dRajery: tontosa soa aman-tsara ny rakikira vaovao niarahany tamin’ilay mpitendry gitara flamenco, Raul Rodriguez. Fa­mpiarahana ny mozika miaina malagasy izay novoizin-dRajery hatramin’izay, amin’ny mozika flamenco avy any Espagne, izy ity. Samy nitondra ny lokon’ny mozika mampiavaka azy ireto mpanakanto ireto ka namela malalaka ny aingam-panahy hamoaka loko vaovao. Hitan’izy mirahalahy avokoa ireo mampiray ny mozikan’ny roa tonta, ka namoaka vokatra azo antoka fa ho voarain’ny fanahy sy ny sofin’ireo mpankafy zavakanto maneran-tany. Heno ao ny hira flamenco ravahan’ny mozika malagasy.
Tsy izy mirahalahy irery anefa, fa nisy nitondra ny anjara birikiny tao ambadika tao, toa an’i Javier Mantecon, izay tale ara-javakanton’ity fiarahana ity. Teo koa i Jery Antonio izay nanampy teo amin’ny feo, ary i Zo Christian, nikirakira ny fandraisam-peo. Satria efa samy mpanakanto milomano ao anatin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena i Raul Rodri­guez sy Rajery, azo antoka fa hitondra azy ireo lavitra sy maharitra ity rakikira ity.
Raha hiverenana ny tantara, efa tany amin’ny volana mey 2019 no nitsiry ity tetikasa ity. Nisy ny fihaonana teo amin-dRajery sy i Raul Ro­driguez teto Antananarivo, niaraka tamin’ireo tariny avy. Nikaroka ny fifandraisana misy eo amin’ny mozika flamenco sy ny mozika afrikanina, indrindra ny mozika malagasy, izy ireo tamin’izany. Nifandrary tsikelikely ny zavakanto nanomboka teo, ka tonga amin’izao famoahanana vokatra arahina fitetezam-pirenena tsy ho ela izao.

Zo ny Aina

Partager sur: