Anio ny « Manala azy tanora zokiny ». Manome fotoana ireo mpanaraka azy hatramin’izay ny Olombelo Ricky sy ny tariny, etsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ora vitsivitsy hiverenena an-kira ireo vanim-potoana nanamarika fiainana maro izany, ho an’ireo eny an-tsehatra, fa indrindra ho an’ireo mpankafy. Toy ny isan-taona, tohin’ny “Manala azy vita bacc”’, saingy natao kokoa ho an’ireo tsy afaka nijery ny alina izany.
“Camps for Army of God”, fiofanana lasy miaramila. Hetsika tanterahin’i Zook Davids, ho an’ny ankizy rehetra tsy ankanavaka, eo anelanelan’ny 7 ka hatramin’ny 13 taona. Tontosaina ny 19 aogositra ka hatramin’ny 22 aogositra, ao amin’ny Lake Mantasoa School. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fampianarana, fiofanana miaramila, lalao lehibe, alim-pikoranana, atrikasa, fampisehoana eny an-tsehatra, fanatanjahantena, sns. Lohahevitra hitondrana ny hetsika: “Miaraha miaritra ny mafy amiko ianareo, tahaka ny Miaramila tsaran’i Kristy” (II Timoty 2:3).
Manana ny maha izy azy ny Malagasy. Hatramin’izao, anefa, toa tsy misy fiantraikany amin’ny fiainany, ireo maha izy azy ireo. Fihavanana, firaisankina, fahalalana, fananana fanahy… Ampahany amin’ny mampiavaka ny Malagasy, saingy, tsy tazana loatra eo amin’ny fiarahamonina misy azy. Io tranga io anefa tsy midika fa very tanteraka ny mampiavaka ny Malagasy. Mbola ao amin’ny tsirairay tokoa fa tsy taitra raha tsy misy mamoha, mpitarika na mpitari-dalana. Adidy lehibe tokony hotanterahin’ny ray aman-dreny ny mitarika.




