Jazz@Tohatohabato: « Tratra ny tanjona, hatsaraina ny ho avy »

Tao anatin’ny herinandro. Nifantoka tanteraka tamin’ny fampisehoana an-tsehatra ny fandaharam-potoanan’ny Jazz@Tohatohabato. Nifarana omaly izany. Namintina izany i Andry Mika, avy ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ.

Ilay fampisehoana an-tsehatra lehibe teo Analakely manandrify ny tohatohabaton’­­Antaninarenina no nanakatonana ny hetsika Jazz@­ Tohatohabato andiany faha-14, omaly. Tsikaritra fa ao anatin’ireo mpijery tonga maro be hatrany ny fitiavana ny jazz. Nanatombo ny isan’ny tanora. Ho an-dry zareo avy ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ, « tratra ny tanjona ho an’ity andiany ity. Tanteraka araka ny nanomanana azy ny fandaharam-potoana. Hatsaraina ny andiany manaraka », hoy i Andry Mika.
Nasongadiny tamin’izany fa voatazona hatrany ireo olona liana. Teo ihany koa ireo toerana tsy mbola nanaovana seho, tahaka an’i Alasora, kanefa, hita teny an-toerana fa liana ny olona. « Tahaka ny fikarakarana sy fanomanana efa natao hatramin’izay. Hiton­dra zava-baovao ny Jazz@­Tohatohabato amin’ny andiany manaraka. Anisan’ny endrika fanatsarana izany. Ankoatra izay, hatsaraina ihany koa ny pitsopitsony hatrany amin’ny madinika indrindra », hoy hatrany i Andry Mika.

Manana ny hoavy mamiratra
Andiany faha-14, nahitana taratra fa hanana ny hoaviny mamiratra ny tontolon’ny jazz, eto Madagasikara. Nanamafy izany ny fahitana ny zava-nisy nandritra ny Jazz Kids, Notontosaina ny alarobia 6 aogositra, tao amin’ny Trano­mpo­konolona Analakely. Afa­ka nihira sy nitendry ireo heverina fa jazz efa sarotra raha oharina amin’ny taonany. Ny Jazz Street, nahatazanana fifanakalozana maro. Nanaitra sy namoha ary nanatevina talenta maro.

Tsy tapaka nahitana vahiny, mpijery, avy any ivelany avokoa ireo fandaharam-potoana nandritra ny Jazz@­Tohatohabato. Niverina hatrany ny fanamarihana nataon’izy ireo : « mahay jazz ny Mala­gasy ». Anisan’ny tsikaritra amin’ny fivoaran’ny Jazz@­, Toha­tohabato ihany koa ny fanarahan’ny Malagasy azy ity. Tafiditra ao anatin’ny filan’ny mpijery ny fisian’ny hetsika amin’ny fotoam-pialantsasatra lehibe tahaka izao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: