Tanterahina manomboka anio any Chine ilay hetsika kolontsaina lehibe momba ny fandriampahalemana. Anisan’ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Ireo mpitendry zavamaneno sy mpihira ary mpandihy avy ao amin’ny Zanabaliha no hitondra sy haneho eo imason’izao tontolo izao ny amin’ny fahitany ny soa azo avy amin’ny fampanjakana io fandriampahalemana io. Iray amin’ireo hampiavaka ny seho hotanterahin’ireto tanora ireto ny tsy fampiasana zavamaneno hafa ankoatra ny valiha, satria, sady haneho ny maha Malagasy izy ireo no hanandratra avo ny fandriampahalemana.
Manana ny maha izy azy ny Malagasy. Misongadina hatrany io eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Raha eny an-tsehatra, hita ihany io. Mety hanana endrika kanto fa mety ny mifanohitra amin’izany. Io tranga farany io no mety hanimba endrika ny kolontsaina sy ny zavakanto eto an-toerana, indrindra raha tazanina avy any ivelany. Ny tsy azo hadinoina, efa tsy voafetra eo amin’ny sehatra intsony ny tena zava-misy noho ny fisian’ny teknolojia na ny hairaha afaka manapariaka izany ao anatin’ny fotoana fohy. Mila fitandremana fatratra !
Mila « mihetsika » ny mpanakanto. Azo arahina ara-bakiteny io, raha atao indray mijery. Amin’ny hevitra ankolaka indray. Mila mianatra ny mpanakanto. Tsy tokony hijanona amin’ny talenta ananany fotsiny. Tsy tokony hijanona amin’ny fahaizan’ny mpanao serasera sy dokambarotra fotsiny, sns. Fa mila mahay ny fomba fiasan’ireo « mpandraharaha » ireny. Tsy vitsy mantsy ireo mpanakanto no tratry ny tsy ampoizina manoloana ny mpijery aman’aliny. Ny kanto hay ihany, fa ny ankoatra izay, mbola ankamantatra !




