« Festival » isam-paritra : Mbola lohany ny « Sômaroho ! » any Nosy Be

Mbola anatin’ny lazany. Tsy azo iadian-kevitra fa raha tsy voalohany, dia anatin’ny «festival» isam-paritra malaza indrindra ny «Sômaroho!». Fahombiazana tamin’ny ankapobeny, raha natao bango tokana ny niseho nandritra ny dimy andro, izay nifarana ny alatsinainy maraina teo, tao amin’ny Kianjan’Ambodi­voa­nio, Nosy Be. Alatsinainy efa mazava andro toy ny mahazatra vao namarana ny fety i Wawa. Izy no tompon-kevitra, vy nahitana sy angady nananana ny « Sômaroho! », izay mamarana isan-taona ny andiam-pampisehoana ihany koa.
«Tsy mora ny manao zavatra, saingy nezahintsika ho tontosa tsara ny Sô­maroho», hoy ny nambaran’i Wawa. Nisy tokoa ireo tsy araka ny nanampoizana azy, saingy tsy nahasakana ny hetsika tsy ho vita izany. Teo ny orana izay tsy tao anatin’ny fandaharam-potoana. Niara­han’ny maro nahita, na ireo tsy nanatrika tany an-toerana aza, ny « tendrim-po tsy mba namana » nataon’i Anatal, ilay nandaka « micro » teny an-tsehatra. Teo koa ny fahatarana tamin’ny fahatongavan’i Ruger, vahiny mpanakanto anisan’ny nandrasan’ny mponin’i Nosy Be tamin’ity, rehefa tsy afaka ihany i Shenseea. Raha tokony ho niakatra ny alin’ny sabotsy, nampidirin’i Wawa nialoha ny niakarany an-tsehatra kosa i Ruger, ary nahafaly ny mpankafy azy izany.
Na izany aza, samy nanome izay kanto indrindra avy any aminy ireo tarika marobe vahinin’i Wawa tamin’ity, na Malagasy na vahiny. Efa maherin’ny 10 isaky ny seho ireo nifandimby an-tsehatra, izay maro indrindra hatramin’izay nisian’ny «Festival Sô­maroho! ».

Zo ny Aina

Partager sur: