Tao amin’ny tarika Ny Nanahary: Mankalaza ny 60 taona an-tsehatra i Nanah

Tarika nanana ny lazany tany amin’ny taona 60 Ny Nanahary. Nisy feon’andriambavilanitra nisongadina koa tao, izay mankalazana indrindra ny 60 taona niakarany an-tsehatra amin’ity. Mbola milomano anatin’ny mozika i Nanah.

«Mamindra fo ami­ko». Hira fiderana malaza hatramin’izao, izay nanasongadina ny feon’i Léa Randriamifidy na i Nanah. Mpikambana tao amin’ny tarika Ny Nanahary no tena nahafantaran’ny maro azy, sy tao anatin’ny tropin’i Freddy Ranarison, tany tamin’ny taona 60 tany. Feno 60 taona tamin’ity no niakaran’i Nanah an-tsehatra, izay marihiny amina hetsika maromaro. Efa nanomboka ny 4 jolay teo izany, tany Genneviliers, any France. Fotoana izay nanehoan’ity mpanakanto ity ny fironany ara-mozika, nandritra izay taona maro izay, ny gospel, soul, jazz fa indrindra koa ny mozika malagasy.
Tazana nanodidina an’i Nanah nandritra izay 60 taona izay ireo Malagasy mpitendry manana ny maha izy azy, na teto an-tanindrazana izany na tany ivelany. Anisan’ireo na­naraka azy nandritra io seho io i Mamy Rakotofiringa, mpitendry piano, Parany Ramaro­misa, Pecos, sns. Niara-na­nembona ny taona maro efa nivalona tamin’i Nanah ireo mpiray fikambanana aminy ao amin’ny Agir Gennevilliers, izay misy azy ihany koa.
Ho tohin’ny fankalazana sy ho famaliana ny hetahetan’ireo namany, mbola hisy ny seho faharoa hataony ny 17 aogositra ho avy izao. Fan­draisany anjara amin’ny «Fes­tival de la musique du Mon­de » io, izay hatao ao amin’ny Tapis Rouge any Colombes, France. Mpitendry, frantsay iray, malagasy iray ary kongoley iray no hanaraka azy amin’io.
Nilomano tao anatin’ny mozika hatramin’ny fahakeliny i Nanah. Mpanao mozika ny nihaviany ary mbola maro manao mozika ny manodidina azy. Ny taona 1965 izy no niditra tao amin’ny tarika Ny Nanahary, ary tamin’io vanim-potoana io koa no niakarany sehatra voalohany. Niala an’i Madagasikara i Nanah ny taona 1969, nanohy ny fianarany tany Allemagne. Na­naraka azy teny foana ny mozika, ary nandritra izany indrindra no namoronany ilay hira « Embo­na », nataony ho fahatsiarovana ny tanindrazana. Nipetraka tany France taorian’izay, avy eo tany Côte d’Ivoire. Nirona kokoa tamin’ny jazz izy na dia niangaly mozika maroloko aza. Anisan’ireo namelona ny « l’œil du jazz » tany Abidjan rahateo i Nanah.

Zo ny Aina

Partager sur: