Misento tokana ireo raiamandreny… Mahafaly sy mahavelombolo mantsy ny mahita ireo hetsika isan-karazany, mamelona sy manome aina ary mampita amin’ny ankizy indray ireo lalao malagasy. Fotoam-pialantsasatra ho an’ny ankamaroan’ ny mpianatra izao, ka manam-potoana hahafantarana, hianarana ary hitiavana ireny karazan-dalao ireny izy ireo. Manana ny fandaharam-potoanany manome sehatra izany ireo ivokolo, toy ny AFT Andavamamba. Nanomboka omaly ilay hetsika ho an’ny lalao iombonana ao amin’ity toerana ity, izay tsy hifarana raha tsy ny 23 aogositra.
Ny tombony? Misy fampahafantarana sy fampianarana ireo lalao tena malagasy, toy ny fanorona, ny katro, sns, ao. Miara-dalana amin’ireo lalao iombonana iraisam-pirenena koa anefa, mba haneho ilay fivelarana tadiavina anatin’ny fitaizana ny ankizy. Anisan’ireo lalao iraisana ao koa ny echecs, scrabble, jeu de go, jeu de dame, jeu de 7 familles, uno, sns. Eo koa ireo « jeux vidéos », saingy ny mampiavaka azy ireo, noforonina Malagasy ary natao ho an’ny Malagasy mpilalao.
Antenaina ny hivelaran’ireo lalao malagasy ireo any amin’ ny toerana maro, any amina fiarahamonina isan-tsokajiny, mba tsy hisy maty momoka fa hiampita isaky ny karazany avy izany.
Zo ny Aina




