Fifaninanana saripika : Hasongadina ny maha olona

Nikatona omaly ny fahafaha-mandray anjara amin’ilay fifaninanana saripika mahakasika ny maha olona. Hiditra amin’ny fisafidianana ireo ma­haresy lahatra azy ny mpitsara, manomboka anio hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao. Maro ireo mpaka sary liana tamin’ny fifaninanana, ary tsapa fa
ny hanasongadina kokoa ny lohahevitra no nimasoan’izy ireo, na dia eo ihany aza ny loka. Fakantsary matihanina, mifanaraka amin’ny sokajy misy ireo mpaka sary, ny loka goavana. Hanampy izany ny finday hiaka farany, ankoatra ny fampahafantarana ny mpaka sary sy ny talentany amin’ireo hetsiky ny Fnuap sy ireo mpiara-miasa aminy.
Raha hiverenana kely, natao ho an’ireo tanora monina eto Madagasikara, mpaka sary latsaky ny 35 taona, matiha­nina na tsia, ny fifaninanana. Afaka nandefa sary hatramin’ ny 3 ireo mpifaninana, saingy mila nalaina teo anelanelan’ny volana janoary 2022 sy jolay 2025 izany. Mila maneho ny zava-misy iainan’ny mponina any Androy, Anosy, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsina­nana, ihany koa. Mazava loatra fa misy lohahevitra havoitry ny sary mifaninana, ka anisan’ireny ny fifanampian’ny mpiara-belona (fitsaboana, fiarovana, vonjy aina, sns), ny asan’ny vehivavy sy ny tanora anatin’ny fiarahamonina, ny hafatra fanentanana ho an’ny asa sosialy, sns.
Ny 19 aogositra izao no han­kalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fifanampian’ ny mpiara-belona. Mandritra io fotoana io ihany koa no hanaovana ny lanonana fanolorana ny loka ho an’ireo tompon’ny saripika voafidy ho mendrika indrindra, maneho ny lohahevitra.

Zo ny Aina

Partager sur: