Mitohy hatrany ny hetsika manodidina ny jazz. Taorian’ny « Jazz@Tohatohabato », manome fotoana ireo mpakafy izany eny amin’ny Craam, Oniversiten’ Ankatso indray, anio manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny mpikarakara. Ny tarika Simy Nuée, ivondronan’ireo tanora hoavin’ny jazz eto Madagasikara, ampian’i Vazo Lee, zanak’i Silo izay efa manara-dia azy eo amin’ny mozika ary ny No Name no hifandimby an-tsehatra mandritra izany. Maimaimpoana ny fidirana.
Asco Music, ao amin’ny Alliance française Toliara. Ny alakamisy 14 aogositra izao ity fotoana ity, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Noho ny maha andro tsy fiasana ny zoma 15 aogositra no antony. Fotoana iarahan-dry Pee sy ny tariny amin’ireo mpankafy ao Toliara indray io. Ny Asco Music izay nalaza tamin’ny tsapiky tany amin’ny fiandohan’ny taona 2000 tany, ary mbola manana ireo mpanaraka azy hatramin’izao, indrindra ao Toliara.
Nivoaka omaly ny « Rahavaviko », rakitsary vaovaon’i Ony sy La Manitra. Hira maneho ny fifankatiavana misy eo amin’ny mpirahavavy, toa azy roa, izy ity. Manasongadina ny feo mangan’izy ireo, izay nampiavaka ny tarika Ony sy La Manitra hatramin’izay. I Ony ihany no namorona ny tonony sy ny feony, ary narindran’i Jack Thierry. Porofo ihany koa io fa miroso anatin’ny famoronana fa tsy ny famerenana ihany izy ireo.




