Misy ny fanomanana atao, mialoha ny Fihaonamben’ny Sadc, hatao ny 16 sy ny 17 aogositra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’izany ny fivoriana iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny fivorian’ny vovonana Troika, izay rafitra misahana ny raharaha politika, ny fiarovana ary ny filaminana. Eo koa ny Kaomitin’ny fitantanam-bola sy ny fampiasam-bola, ka nitarika ny fivoriana ny sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), Ramanampanoharana Andry, ny 8 aogositra teo.
Andraikiny ny mandrindra sy manara-maso ny asa iarahana eo amin’ny sehatry ny vola sy ny fampiasam-bola, hampahomby ny fampiraisana ara-toekarena eo anivon’ny Sadc. Ao anatin’izany ny fanaraha-maso ny fampiharana ny Paikadim-panjakana ho fampandrosoana eo amin’ny Faritra (RISDP) amin’ny sehatry ny vola sy ny fampiasam-bola. Misy ny fanolorana soso-kevitra stratejika ho an’ny filakevitry ny minisitra ao anatin’ny Sadc momba ny raharaha ara-toekarena sy ara-bola. Anjarany koa ny mandrindra sy manara-maso ny fampiharana ireo fandaharanasa iarahana amin’ny sehatry ny vola.
Njaka A.




