« Volan’Ambatovinaky »: Maneho ny tantara teatira malagasy

Lasa toeram-pivoahana ho an’ny besinimaro taty aoriana… Mirakitra tantara lehibe, tsy hay kosehina raha hiresaka ny teatira malagasy anefa io toerana ao Ambatovinaky io.

Avy amin’ny tantaran’ny toerana no nakana ilay tantara tsangana «Vo­lan’Am­batovinaky», lalaovin’ny Tropy Ventso Réunion. Ho avy eto Madagasikara, ka haneho izany an-tsehatra izy ireo, ny alahady 13 desambra izao, amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CCESca Anta­nimena.
Tantara tsangana na «co­médie musicale» kokoa no nitondran’ny Vetso Réunion ny «Volan’Ambatovinaky». Mpi­se­hatra 13 izy ireo no haneho izany, sady handravaka ny piesy amin’ireo hira teatraly sanganasan-dry Andrianary Ratianarivo, Naka Rabema­nan­tsoa, Justin Rajoro, sns. Mitantara ny fiainam-pirenena tamin’ny vanim-potoana mialoha ny Fanjanahantany izy ity. Akanjo fianjaikan’ny Mpanjaka sy ny tao an-dapa no tafian’ny mpilalao amin’ny fizarana voalohany. «Ilay Teatira mihitsy no miteny toy ny avelo, mivolana sy miresaka amin’ny mpijery, mitantara ny niandohany, ny niainany sy ny niafarany. Izay no maha-Volan’Ambatovinaky azy », hoy ny fanazavana avy amin’ny tropy.
Natokana ho an’ny vanim-potoanan’ny mitady ny very taorian’ny fanjanahantany ko­sa ny fizarana faharoa. Hisy fandefasana amin’ny efijery lehibe ny sombiny amin’ny sarimihetsika «Ilo tsy very» notontosain’i Solo Randra­sana, ny tapany faharoa.
Raha tsiahivina, niorina tamin’ny 1899 ny teatira teo Ambatovinaky. Noravan’ny mpanjanaka kosa tamin’ny 1953 satria lasa ivontoeran’ny zavakanto malagasy sy ambohipihaonan’ireo tia tanindrazana. Tao no teraka ny teatira malagasy, nipoiran’ireo hira teatraly izay antsoina ihany koa hoe kalon’ny fahiny taty aoriana. Toerana nilalaovana mozika Jazz voalohany sy nijerena sarimihetsika (voalohany ihany koa tao).
Tarika ivondronan’ny mpitia kalon’ny fahiny ao La Réunion ny Vetso Réunion. Natsagan’ ireo Malagasy mpi­ara-monina any, ny taona 1999. Efa namelona piesy tea­traly maro tao La Réunion ary nitondra ny kalon’ny fahiny tamin’ny firenena maro : USA, France, Allema­gne. nanomboka nolalaovina tao La Réunion kosa ny «Vo­lan’Amba­tovi­naky» ny taona 2019. Tany Montréal Canada sy Paris France (2025) ary izao entina eto an-Tanindrazana izao.

Zo ny Aina

Partager sur: