Anarana tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny hiragasy. Tontosa ny alarobia lasa teo ny famadihan-drazana, namonosana indray an-dRamilison Besigara Fenoarivo, tany Mandrosoa, kaominina Morarano Antongona, distrikan’Arivonimamo. Nanotrona izany fotoan-dehibe izany ireo ao anatin’ny zavakanto, indrindra ireo mpanakanto novolavolain-dRamilison fahavelony. Teo ihany koa ireo zaza mandimby, mbola mamelo-maso ny hiragasy hatramin’izao, izay misandrahaka amina tropy sy tarika maro.
Raha tsiahivina, mpikambana feno tao amin’ny tarika Sahondrafinina Ramilison. Rehefa nodimandry Sahondrafinina Reniny, anisan’ireo nanangana ny tarika Zanatsahondra mba hamelo-maso ny mpanorina izy. Ny taona 1986 kosa no nifanaraka ka nangata-tsodrano, fa hitondra ny tropy Ramilison Fenoarivo. Nahazo ny anarana Ramilison Besigara taty aoriana, ary izay no nentiny nitondra avo ny hiragasy teto, hatrany ivelany. Anisan’ireo nankalaza, nandray ny kanto avy aminy, ary nitondra avo izany, ohatra, i Rossy. Tsy izy irery ihany fa betsaka ireo vahiny no liana tamin’ny hiragasy ka nanatona an-dRamilison. Mbola nandalo teto i Berndt, teratany alemà mpanodina mpanakanto any ivelany, izay nanatrika ny famadihana. Anisan’ny navadika ihany koa i Perline, zanak’i Dadamily, izay anisan’ireo feo miavaka tamin’ny hiragasy.
Zo ny Aina




