Tsy mena-mitaha ny vita malagasy. Efa miakatra ny tsena iraisam-pirenena ny forona malagasy, satria voaasa amin’ilay hetsika goavana sy malaza indrindra amin’ny « design » i Kiady Ratovoson.
Mamirapiratra maneran-tany ny vita malagasy ! Porofon’izany, nasaina manokana handray anjara amin’ny «London Design Festival 2025» i Kiady Ratovoson. Hetsika malaza sy iraisam-pirenena hanasongadinana ny famoronana izy ity, izay hotontosaina any Londres Angleterre, ny 16 hatramin’ny 18 septambra izao. Fihaonamben’ ireo «designer» avy amina firenena maro izany, izay hiandrasana mpitsidika an’arivony ihany koa. Renivohitry ny «design» rahateo raha i Londres ary anisan’ny mahasarika mpizahatany sy matihanina any amin’izy ireo ity hetsika ity.
Dingana maro no nodiavin’ i Kiady Ratovoson teo amin’ny resaka karoka sy famoronana vao tonga amin’izao sehatra izao. Nikaroka sy nandalina nandritra ny taona izy, ankoatra ny talenta efa ao aminy. Vao avy nandalina ny «design environmental» tany amin’ny Oniversiten’i Donghua, any Shangai, mantsy i Kiady, izay nampiany fikarohana momba ny «design d’intérieur» tany amin’ny Oniversite Potitecnico di Milano, any Italie. Nialoha izay, efa nanokatra ny K.R, toeram-piasany sy famoronany ny sanganasany ity «designer» malagasy ity. Ao no hiketrehany sy hanambarany ny maha Malagasy amin’ireo izay norantoviny tany ivelany, ka niteraka ireo vokatra maneho ny maha izy azy manokana, ary mampiavaka azy. Mihodidina ny haikanto amin’ny taotrano, fanaka, fanajariana ny atiny sy ivelany ny fironan’ny aingam-panahin’i Kiady. Hita taratra nandritra ny fampirantiana «Antson’ny tontolo miaina», izay nandraisany anjara tao amin’ny Zone Zital Ankorondrano izany, ny taona 2024. Efa nampiranty ny «Objectif With Soul» tao amin’ ny Flow Gallery, tamin’ny marsa 2025, sy tamin’ny «Milan Design Week» ny avrily 2025. Naneho ny «collection Mycelia» ihany koa izy, nandritra ny «Malagasy Design Gaze». Aingam-panahy notakarina tamin’ny zavamananaina, toy ny fakan-kazo sy ny «mycelium» io, izay maneho ny lohahevitra mifaka, mifandrary, mifandrohy… Vokatra roa avy amin’ny «Mycelia» rahateo no voasafidy haranty mandritra ny «London Design Festival».
Zo ny Aina




