Tomefy olona i Mahajanga. Anatin’ny ivon’ny fialantsasatra mihitsy, ka maro ireo fandaharam-potoana ho an’ny fianakaviana, na tompon-tany na vahiny. Lehibe indrindra amin’ ireny ny «Star Tour», izay nanomboka omaly, eo amin’ny Bord Mahajanga. Vao tolaka ny andro dia nanomboka ny karazam-pialamboly maro. Misy ireo lalao ho an’ny ankizy, izay tazana nentanin’ireo «influenceu» nosafidian’ny Star. Izay fety ho an’ny fianakaviana izay rahateo ny lohahevitra voizina amin’ity fiverenan’ny «Star Tour» ao Mahajanga.
Teny amin’ny sehatra goavana kosa ny fanentanana miharo hatsikana nataon-dry Honorat sy Eric ao amin’ny tarika Fou Hehy. Anisan’ireo nahaliana ny maro ny fifaninanana dihy ho an’ireo ankizy sy tanora, nafanain’ireo mpikosoka kapilan’ny « Star tour », toa an’i Dj Three T. Tetsy andaniny, fialamboly hafa ihany koa ny eny amin’ny Espace pression, nahitana an-dry Dj Eloi sy Dj Looping.
Hanomboka anio kosa ny fampisehoana eo amin’ny sehatra lehibe, ka andrasana, anio, i Ckicky sy Black Nadia. Rahampitso, i Ceasar sy ny tarika AmbondronA, izay andrasan’ny maro hatrany rehefa «Star Tour». Hanana eo amin’ny adiny iray sy sasany avy eo ireto tarika ireto, amin’ny seho hataony.
Zo ny Aina




