TARATRY ny KANTO

« Fianar’Rire ». Atrikasa ho an’ireo mpanao hatsikana, na matihanina na tsia, izy ity. Mahakasika ny fampihomehezana sy fihazonana ny mpijery hanaraka ny hatsikana hatao ny lohahevitra. Hotontosaina ao amin’ny Alliance Française Fianarantsoa, anio 16 aogositra amin’ ny 8 ora sy sasany izany. Arahina fampisehoana izany ra­hampitso amin’ny 2 ora sy sasany, iarahana amin’i Mirado, Tsiresy Radilofera ary i Ely Nomenjanahary. Ha­nao ny tapany voalohany i Poeta Narcissik sy ny DMF Crew.
« Glita Fa’Ray », ho an’i Mahajanga. Hetsika hanodidina ny gilita, izay hotontosaina rahampitso alahady 17 aogositra, ao amin’ny Vatobe Hôtel, Mahajanga, izy ity. Iarahana amin-dry Benny sy Bebey ary Nini, hitondra ny Revy Lôlô sy ny tariny. Jovin, Kiady ary i Nini hanao ny Solanga ary i Luk ao amin’ny tarika Johary. Mbola hisy ny sanganasan’ny Feo Gasy ihany koa hataon’izy ireo mandritra izany.
Mitohy ny sehon’ny tarika Rebika any Fianaran­tsoa. Taorian’ny « cabaret » tao amin’ny Tranompoko­nolona Tsianolondroa, omaly, manome fotoana ireo mpankafy azy amin’ny seho lehibe ao amin’ny Maria Manjaka Talatamaty ry zalahy, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora. Mbola tsy eto an-toerana i Tonton Pà noho ny tsy fahasalamany, raha ny nambaran’ny tarika. Eto kosa anefa i Nix, miara-dia amin-dry zalahy manatontosa ny seho rehetra.

Partager sur: