« Fest’Iray »: Naneho ny kolontsaina ao Vakinankaratra

« Festival de l’écologie ». Hetsika iray nanandratra ny karazan-javakanto sy kolontsaina ao amin’ny faritra Vakinankaratra ihany koa ny « Fest’Iray », izay nifarana omaly. Fiaraha-mientana, nanaovana haitaky ho an’ny tontolo iainana, rariny ara-toetr’andro ary ny zon’olombelona ny hetsika. Nifarimbona nampiaraka talenta ireo mpanakanto maro nivoy ny lohahevitra nandritra izany. Teo ireo mpanao mozika, slam, dihy, hosodoko, filatroana, hainahandro, kabary, taovolo ary taozavatra, sns. Narahina lalao maro, toy ny fifaninanana « quizz » manodidina ny lohahevitra ihany koa izany.
Mazava loatra fa nibahana kokoa ny fampisehoana mozika, satria iny no mora voarain’ny mpiara-belona. Nitondra ny hafatra ry Mami Bastah, anisan’ireo zokiolona amin’ireo mpanakanto zanak’i Vakinankaratra. Teo koa ry Tojo Asoro, Driwna, Natoraly, Rayna, Fafah Valiha, Joh Randriantahiana, Ny Z’Art Iray, Elsenne, Tarika M’Iray, Sôvazik, Raozin’ny Mandray, Tarika Fontsy, Mamina, Vahantsaina, Raim’Be, Vain’Af, Dee à Lock, Talike Gelle, Oladad, Soanjara ary ny Mahaleo Taranaka, izay tena be mpiandry nandritra ny hetsika.
Hafa raha samy « festival » ny « Fiest ‘Iray », noho izay lohahevitra iaraha-mivoy, iaraha-mientana ary hampitaina amin’ny alalan’ny zavakanto, izay. Handrandraina hisy hatrany izany isan-taona.

Zo ny Aina

Partager sur: