Mifameno. Angamba ny tarika AmbondronA no nandray anjara betsaka indrindra tamin’ny « Star Tour », hatramin’izay nisiany. Maro ireo nahatadidy fa anisan’ny nandrasan’ny mpankafy ny AmbondronA tamin’ny «Star Tour Mahajanga 2019». Mbola nihoatra noho ny tamin’izany ny hafanana, nandritra ny seho famaranana, teo amin’ny Bord Mahajanga, omaly. Vantany vao naneno ny feon-gitara voalohan’i Beranto dia tsy nijanona ny horakoraka, nandraisan’ireo mpijery ny tarika.
« Mankasitraka aho », araka ny lohateny, hira iray fanombohan’ny tarika ny seho hataony, ho fisaorana an’Andriamanitra ity. Ary dia niarahan-dry Kix niredona tamin’ireo mpankafy izany. Tsy nisy fanavahana na tompon-tany na vahiny, fa samy niara-nianoka ireo hira nentin’ny AmbondronA nitaiza ny sofina sy ny fanahin’ny mpankafy izany. Nitovy lenta avokoa na ireo milamimdamina toy ny «Havaoziko ny eny», «Naleonao» na ireo mavesatra kokoa, toa ny « Ajanony any », « ny fitempon’ny foko», sns.
Nialoha ny seho lehibe teo amin’ny Bord, efa avy nampirevy ireo mpankafy manokana teto Mahajanga tao amin’ny New Park Resort ry zalahy, ny alin’ny zoma teo. Mazava loatra fa lany mialoha ny tapakila ary maro ireo naniry hanatrika no sahirana noho izany. Izany rehetra izany, manaporofo avokoa fa efa any amin’ny dingana sy sokajy ambony ny tarika AmbondronA, raha tarafina amin’ny lazany sy ny fahombiazan’ireo seho izay tontosainy rehetra. Tsy mbola ato ho ato izany no hidina, satria miakatra hatrany koa ny fanamby hapetraky ny tarika. Anisan’ny efa nampahafantarin’izy ireo ny seho goavana indroa misesy, hatao ao amin’
ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny 19 sy 21 septambra ho avy izao.
Zo ny Aina




