Tarika maherin’ny 5 isaky ny alina no handray anjara. Fampisehoana mozika no tena hibahana mandritra ny « Sorogno », na eo aza ireo hetsika maro hafa amin’ny maha « Festival » azy.
Hetsika ara-kolontsaina anisan’ireo zokiny indrindra sy tsy mba niatoato ny « Festival Sorogno ». Reharehan’Ambanja ny hetsika, satria sady fitaratra amin’ny hetsika ara-javakanto no fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny faritra ihany koa. Hotontosaina ny 21 hatramin’ny 24 aogositra izao ny andiany faha-26 amin’ny « Festival Sôrogno – Cacao », izay anarana nahafantarana ny hetsika ihany koa, ho fanandratana ity vokatra mampiavaka an’i Sambirano ity.
« Nakana hevitra ny mponina, satria azy ireo indrindra ny hetsika. Nezahina ny nahazo ireo mpanakanto tena andrasan’izy ireo », hoy ny nambaran’i Valdés, iray amin’ireo mpikarakara anatin’ny kaomity Sorogno. Maro amin’ireo no efa nandrasana ela, toa an’ ireo mpanakanton’ny Davalt Rwikordz, ahitana an’i Moopcan, Ngiah Tax, Maman’i Tsôlôlô, Parish, Ceis, sns. Eo koa anefa ireo nanamarika ny hetsika an-taonany maro, toa an’i Din Rotsaka, izay sady hanafana ny alim-pandihizana fanokafana ny alakamisy 21 aogositra, no hiakatra eo amin’ny sehatra lehibe ihany koa ny 23 aogositra. Tsy afa-misaraka amin’ny lazan’ny Sôrogno koa i Sisca « mama oe », izay mamarana hatrany ny hetsika. Anisan’ireo mpivoy ny salegy aoe izy sy i Kakabe Djino izay hiaka-tsehatra ny sabotsy 23 aogositra. Hiverina ao Ambanja ihany koa i Arnaah amin’ity, taorian’ny tsy nahitana azy elaela an-tsehatra. Hisolo tena ireo mpanakanto vao handray anjara voalohany ry Jeddy, Shakry Sley, Kesy Lima, Naimah, sns. Hanentana ny seho rehetra kosa i Ali Kitsa sy Dj Beguine, mandritra ireo 4 andro ireo.
Hialoha ny andiam-pampisehoana ny « carnaval » hamakivaky an’Ambanja, hihazo ny kianjabe, hanaovana ny hetsika rehetra. Hisy hatrany ny fifaninanana « Tsinjaka be Sambirano », hanehoana ireo karazan-dihy nentim-paharazana, toy ny « Trôtrobe », « Majanga », sns. Eo koa ireo fifaninanana ara-panatanjahantena, indrindra ny moraingy izay be mpankafy. Hanana tranoheva hampirantiana ihany koa ireo orinasa madinika manodina ny cacao ho vokatra.
Zo ny Aina




