Lôlô sy ny tariny : Ho avy ny mpikambana sasany

Aman-taonany maro no efa niandrandra ny fiverenan’ ny Lôlô sy ny tariny ireo mpankafy rehetra. Tsy mbola ho tanteraka indray anefa izany. Vaovao tsara ihany anefa, satria fantatra fa ho avy hia­raka aty an-tanindrazana ny mpikambana sasany izay monina any ivelany. Hihaona indray amin’i Benny sy Bebey, ry Gôda, Ra Play, Dina, Passy ary i Erick Manana. Anisan’ ireo nasaina manokana handray anjara amin’ny « Festival Tafan-gilita », izay hatao ny 13 sy 14 septembra izao, ao amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, izy ireo.
Hitondra sy hizara ny « Revy Lôlô sy ny tariny » ny mpikambana amin’io fotoana io. « Raha vao miresaka gilita dia tafiditra foana ny Lôlô sy ny tariny. Men­drika ny hanaovana poa-tsatroka ry zalahy mpikambana tsirairay ireo », hoy ny nambaran’i Hery Randriamampia­nina, talen’ny « Festival Tafan-gilita ».
Efa fantatra ihany koa fa handray anjara amin’ny hetsika ny Mahaleo sy ny taranany sy ny Feo Gasy izy ireo. Mbola ho maro ireo mpanakanto nitondra ny revy gilita teto, hanampy azy ireo. Tsy mbola nivoaka kosa ny lisitra sy ny fandaharam-potoana tena izy.

Zo ny Aina

Partager sur: