« Sa.Crée », fampisehoana marolafy, ao amin’ ny Cités des cultures Antaninarenina, ny 20 aogositra izao, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. Hanambatra an-tsehatra ny teatra sy ny dihy ry Vony Ranala sy Marion Huet, mandritra izany. Tetikasa hitondra forona vaovao izy ity, izay kasaina hitohy amin’ny fotoana sy ny toerana hafa. Ny 23 aogositra ny faharoa, ao amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo.
« Anofy », antsan-tononkalo hataon’ireo andriambavilanitra poeta, ny 23 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ao amin’ny CGM/GZ toy ny mahazatra amin’ny hetsika iarahana amin’ny Faribolana Sandratra ny fotoana. Hifarimbona hizara ny sanganasany mandritra izany ry Arielatra, Dimby Mahenina, Baliaka Natiora ary i Kanto Fitahiana.
Hiditra amin’ny andiany faha-10 ny « Nosy Be Symphonie ». Anisan’ireo hetsika ara-javakanto any an-toerana saingy miompana amin’ny mozika klasika izy ity. Hatao ny 28 hatramin’ny 31 aogositra izao izany, izay hitety ireo trano fandraisam-bahiny vitsivitsy ao an-toerana amin’ity. Handraisana vahiny sy Malagasy mpanakanto koa, toa an-dry Parany Ramaromisa, Madagascar Orchestra, Elzbieta Dedek, Bértrand Lavrenov, Vincent Rouard, La chorale de Dar Es Salaam, sns, izany.




