Hetsika kolontsaina, anisan’ny lehibe fanao isan-taona, ny « Angaredona mozika festival ». Amin’ny ankapobeny, voatazona hatrany ny fandaharam-potoana nisy hatramin’izay. Misy hatrany ihany koa ny fanatevenana.
Hotanterahina eny Ambohimanga Rova, ny 13 ka hatramin’ny 21 septambra izao, ilay hetsika kolontsaina lehibe « Angaredona mozika festival » andiany faha-19. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny diabe (carnaval), ny afondasy, kilonga milalao, ireo atrikasa maro hiompana amina lohahevitra samihafa, ny « animation scolaire », fampirantiana anaty tranoheva, sns. Mpanakanto sy mpanantalenta ary tarika maro no handray anjara. Tontosaina eo anoloan’ny kaominina Alakamisy, Kalo Tsara Ambatomasina, Kianja Ankadivory, ireo hetsika ireo.
Ny lafivalon’ny Nosy, saika ahitana mpanakanto na tarika mandray anjara amin’ity andiany faha-19 ity avokoa. « Kolontsaina mampiray firenena » rahateo ny lohahevitra ao anatiny. Ny 13 septambra, manoloana ny kaominina Alakamisy. Hiaka-tsehatra i Bolo, Kaiamba, Rajery sy Tahina Carine, Farakely, Spesialista, Akon’i Mania, José Besaroka, Volazara, Tananomby, Ravakiniala, Jean Piso, Accordéon Imanja.
Ny zoma 19 septambra, eo amin’ny Kalo Tsara Ambatomasina, ahitana an’i Mbola Talenta, Inah, Jean Piso ary i Steph Rambi. Sabotsy 20 septambra, Kianja Ankadivory, hiaka-tsehatra ry Raouto, Ljo, Théo Rakotovao, Njara Marcel, tarika Telofangady, Lowis avy atsy amin’ny Nosy La Réunion, Vallen & Nani avy atsy amin’ ny Nosy Rodrigues, Robin Kafra Basy (Nosy La Réunion). Ny alahady 21 septambra, mbola eo amin’ny Kianja Ankadivory ihany, ahitana ny tarika Rossy sy Feokanto (Zaza Kanto teo aloha) ary Kougar.
Ankoatra ny « Kolontsaina mampiray firenena », anisan’ ny maha zava-dehibe ny « Angaredona mozika festival » koa ny fisian’ny fifanakalozana sy fifampizarana traikefa ao anatiny. Samy manana ny mampiavaka azy rahateo ny zavakanto sy ny kolontsaina hita eto Madagasikara.
HaRy Razafindrakoto




