Taona 2025 – Dadafara Lt production: « 30 000 Ar ny anjaran’ny mpihiragasy iray »

Volana jolay, aogositra, septambra, oktobra. Ao anatin’ ny fanatontosan’ny Malagasy ireo fomba amam-panao ta­haka ny famadihan-drazana sy hasoavan-jaza. Fotoana ma­hamaro ny adin-kiragasy. Eo ihany koa ny adin-kiragasy karakaraina olona tsotra na fikambanana, sns. « Eo ho eo amin’ny 1 500 000Ar ny karaman’ny tarika iray. Voatazona ihany io, saingy, ho an’ity taona 2025 ity, mihena ny vola raisin’ ny mpikambana tsirairay ao anatin’ny tarika, noho ny hara­tsian’ny lalana. Ny tompon’ny fiara, tsy maintsy mampakatra ny saran-dalana, satria, mi­tombo ny fikarakarana na fikojakojana ny fiara. Hanodidina ny 1 000 000Ar, sisa no hifampizaran’ny olona 35 (mety mi­hoatra izany aza ny ao anatin’ ny tarika iray). Izany hoe, eo ho eo amin’ny 30 000Ar (na mety ho latsak’izay aza) ny an­jaran’ny tsirairay », hoy i Dada­fara Lt Production.
Soson-kevitra nomen’i Dadafara Lt Production ny tokony mba hanondrotana ny saram-pidirana. « Efa tao anatin’ny fotoana naharitra no nitazonana ny 2 000Ar. Rariny kosa raha mba hasondrotra io sarany io. Amin’izay, sady tsy maty antoka ny mpikarakara, no mba misondrotra ny karaman’ny mpihiragasy tsirairay. Aza hadinoina fa ambilombazana (kely dia kely) ny 2 000Ar raha oharina amin’ny vidim-pidirana any amin’ireo fampisehoana rindran-kira an-tsehatra mahazatra isaky ny faran’ ny herinandro », hoy hatrany izy. Marihina fa sady zavakanto no kolontsaina sy fanabeazana ho olom-banona ny hiragasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: