Anisan’ny nasaina hiatrika ilay hetsika fampirantiana saripika « Visa pour l’image », tanterahina any Perpignan Frantsa, ny 30 aogositra hatramin’ny 14 septambra izao, i Rijasolo. Lohahevitra hoentiny amin’izany ny « Madagascar, terre des esprits » na « Madagasikara tanin’ireo fanahy ». Saripika mahatratra 31 no hanehoany izany. Ireo saripika ireo no hamoaka sy hanamafy fa eo amin’ny Malagasy, misy tsy tapaka ny fifandraisana sy « fifampiresahana » eo amin’ny velona sy ny hery tsy hita maso. Ny fihazakazaky ny vanim-potoana, miteraka fahasimbana eo amin’ny tontolo iainana. Ny fisian’ny hasina any amin’ireo tontolo sy toerana maro eto Madagasikara. Mety ho simba noho ny fiovan’ny tontolo iainana sy ny manodidina avokoa izy ireny, kanefa, iray amin’ireo fototra mampiavaka ny kolontsaina malagasy. Ireo saripika nalain’i Rijasolo ireo no hanaitra ny feon’ny fieritreretan’izay mahita izany. Raha, sanatria, ringana na ho foana ireny toerana mirakitra tantara sy kolontsaina eo amin’ny Malagasy ireny, hanao ahoana ny fisian’io fifamatorana eo amin’ireo fanahy sy ny zavaboahary io?
HaRy Razafindrakoto




