« Festival Voasary » II : Hivelatra amin’ny Fanatanjahantena

Hisy ny fifaninanana lalao baolina kitra, hazakazaka efatra kilometatra, lalao fanatanjahantena nentim-paharazana moraingy… Anisan’ny hampiavaka ny « Festival Voa­sary », andiany faharoa, ho­tan­­terahina ny volana septambra ho avy izao io endrika fivelarana lehibe io.
Hetsika hotontosaina any amin’ny Kaominina Antsa­trami­dola Andoharano, miala 35 km amin’i Mandritsara. « Tanjona ao anatin’ny fanatanterahana ny « Festival Voasary », ny ahafahana ma­m­­pa­hafantatra amin’ireo mpan­draharaha sy ny tomponandraiki-panjakana miahy ny lafiny fambolena ary ireo rehetra tsara sitrapo vonona hampandroso ny toekarena fa tanànan’ny voankazo tsara kalitao azo hahodina ho ranom-boankazo, ara-pahasalamana ka ahafahana mametraka rafitra fiharian-karena goavana mitarika ho any amin’ny famoronana asa maro any an-toerana, ireo « dimy kaominina loharano mangarahara » ao amin’ny faritra Sofia, distrikan’ny Mandritsara noho ireo vokatra marobe ananany », hoy i Lelah magneva patron, mpikarakara ity hetsika goavana ity.
Ambohi-pihaonana ho amin’ny fanamafisana orina ny firaisankina, ny fihavanana eo amin’ireo mponina anatin’ny « Dimy kaominina loharano mangarahara » (Ambaripaika, Ambilombe, Ankikabe fonoko, Antsatramidola, Ambodia­montana) sy ahafahana mi­ton­dra fifanakalozan-kevitra ho amin’ny fitadiavana ny paikady mahomby ho fampandrosoana ireo kaominina any an-toerana ihany koa ny Festival « Voasary ».

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: