Tantara an-tsehatra : Hiverina any Moramanga ny tarika Iray Fy’Art

Tafiditra ao anatin’ny tohin’ny fitetezam-paritra. Hiaka-tsehatra ao Ambohibary, Moramanga, indray ny tarika Iray Fy’Art, mpilalao tantara amin’ny radio.

«Seho hafa… Tantara vaovao be no hoentinay eny an-tsehatra amin’io fotoana io», hoy ny lehiben’ny tarika, Niravo. Nambarany fa tsy ambakan’ny tantara nolalaovin’izy ireo tany an-toerana tamin’ny herintaona sy ireo nentina nitety faritra izao hoentina ho an’ny mpankafy sy ireo mpihaino na mpanaraka tantara any Moramanga sy ny manodidina izao. Seho hotanterahina ny alahady 24 aogositra izao, ao amin’ny Kianjan’ny CEG Ambohibary.
Hitondra tantara an-tsehatra maneho hafatra sy anatra nefa koa mampihomehy, ahitana hatsikana sy fampieritreretana izy ireo. Natao ho an’ny sokajin-taona rehetra. « Efa indroa miantaona tao anatin’ny iray andro ny seho nataonay tao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina, Ambohibary Mo­ra­manga tamin’ny taon-dasa fa mbola marobe ireo tsy tafiditra. Eo ireo tsy afaka tamin’iny fotoana iny fa eo koa ireo mbola liana sy te hiverina hijery anay », hoy ihany izy.

Hifanakaikezana amin’ireo mpankafy…
Fiakarana an-tsehatra hataon’ny tarika hifanakaikezana amin’ireo mpankafy. Raha ny feon’izy ireo hatrany, fotsiny, no henon’ireo mpanaraka tantara amin’ny radio. Ho tazana eny an-tsehatra indray kosa ry Rakoto, Faly, Synèse, miaraka amin’i Antsa Ravaka sy Niravo. Hikirakira ny lafiny teknika sy ny fandrindrana an-tsehatra ary ny fanentanana i Bruno Rakotomalala.
Etsy andaniny, hitondra ny fahaiza-manaony eny anelanelan’ny seho hataon’izy ireo, i Mitchell Belou. Anisan’ireo sangany eo amin’ny slam sy fanentanana, amin’ny aingam-panahy eo no ho eo, arakaraka ny seho sy ny zava-misy eny an-tsehatra ary ny manodidina azy. Mpikarakara ny hetsika ny Association Mifanampy, Analalava Andre­fana.
Tsiahivina fa anisan’ny vao avy nanaovan’izy ireo seho an-tsehatra ny teny Ambo­himamory Itaosy sy ny tany Miarinarivo Itasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: