Fanabeazana : Omen-danja ny zavakanto

Hiditra any an-tsekoly tsy ho ela ny zaza sy ny tanora mala­gasy. Amin’ny ankapobeny, mavesatra ho an’ny ray aman-dreny io vanim-potoana io, noho ny hamaroan’ny fandaniana. Faniriana sy fahatsapana hanome fanabeazana feno ho an’ny taranaka anefa efa mahazo faka ao anaty, noho ny fitiavan-janaka. Iray amin’ireo fomba hoenti-manarina ny lesoka ny fampidirana ny taranja zavakanto any anatin’ny fandaharam-pianarana.
Tsy ny manan-talenta rehetra amina zavakanto, anefa, no hampianatra. Ny fahitana izany no nahatonga ny foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Académie hanofana mpampianatra zavakanto. Tafiditra ao anatin’ny fahalalana nomena ireo hampianatra ny fahaiza-mampita fahalalana. Ny fana­tevenana ny fahalalana fototra momba ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy…
Tao anatin’ny 2 taona sy tapany no niofanan’ireo mpampianatra zavakanto ireo tao amin’io foibe io. Ity taom-piana­rana 2025 – 2026 ity no hirotsaka voalohany eo amin’ny tontolon’ny fampianarana zavakanto any an-tsekoly izy ireo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: