Mikarakara hetsika « Festival multi-culturelle Miz’art » ny fikambanana Tokotanibe malagasy. Hotanterahina eny amin’ny La teinturerie, Ampasanimalo, ny sabotsy 30 aogositra izao izany.
Nambaran’ny filoha mpanorina ny fikambanana Tokotanibe malagasy, Rabezato Avotra Nomenjanahary, fa anisan’ny hiaka-tsehatra amin’izany hetsika izany ireo mpanakanto misehatra amin’ny gadona samihafa toy ny mpanao vakodrazana, ny « Fusion », ny vakisôva, ny gadona Rap, hira madinika.
« Malalaka be ny sehatra ho an’ny mpanakanto rehetra ary hisy ireo tarika tsy ampoizina ho avy eny an-toerana », hoy izy. Nanteriny fa hetsika maneho fizarana ho an’ny rehetra, araka ny anarany « Miz’Art ». Nanteriny fa mba mila mijery sy maheno ireo gadona samihafa ny mpijery ho avy eny Ampasanimalo, amin’io fotoana io.
Eo amin’ny varotra fampirantiana kosa, nambarany fa natao hanomezana sehatra ny mpanakanto, toy ny sary hosodoko sy ny varotra asa tanana ary vokatra ho amin’ny fampandrosoana izany. Eo koa ny fampahafantarana ny fanorona ary hisy ny famelabelarana ny momba io lalaontsika io.
Hanampiana ireo zanaky ny sahirana
« Hatokanay ho fanampiana sy fiahiana sosialy ho an’ireo zanaky ny sahirana eny amin’ny EPP Anosibe, hotanterahina amin’ny volana oktobra izao, hetsika izao », hoy izy. Hatao hampivelarana ireo ankizy sy tanora mba ho olom-pirenena vanona sy ho andrin’ny fianakaviana izany nefa koa hijerena ireo ankizy manana fahaizana na talenta ka hanampiana azy ireo. Maimaimpoana ny hetsika nefa kosa anentanana ny rehetra hitondra ny tsirambin’ny tanana ho an’ireo ankizy: kojakojam-pianarana, akanjo, kilalao, araka ny nambarany hatrany.
HaRy Razafindrakoto




