Sehatra Bagasy (SBG) volana aogositra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanatrehan’ny mpikambana rehetra ao anatin’ny « SBG » ny rindran-kira tsiahy ho an’ireo raiamandreny nanorina ny tarika Dinarson Karoka. Hetsika hotanterahina eny amin’ny Akany FJKM Betafo Fanavaozana Ambohimanarina, ny alahady 31 aogositra izao, manomboka
amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.
Rahampitso no hifamotoana amin’ireo mpitia ny sanganasany ny tarika Ny Voanio. Fampisehoana an-tsehatra hotanterahina etsy amin’ny CCEsca Antanimena, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Vahiny nasaina manokana i Salomon sy i Narisoa. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanamarihana sy fankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ity tarika manana ny maha izy azy ity io fampisehoana io.
Ahitana fiovana na fivoarana lehibe ny fomba fihirana sy ny fitendrena zavamaneno. Anisan’ny ahitana izany ihany koa ny eto Madagasikara. Na izany aza, mila fitandremana fatratra ny zava-mitranga ankehitriny. Ho an’ny hira, adino fa manana ny feo mampiavaka azy ny Malagasy. Hikambanana sy faheno manerana ny Nosy, ohatra, ny fanononana ny tononkira amina teny mazava tsara. Eo amin’ny fitendrena zavamaneno, sady tsotra no mifanaraka tsara amin’ny hira. Ny ankehitriny, anefa, sady hafenina tsy ho fantatry ny rehetra ny tononkira, no be loatra ny feo avoakan’ny zavamaneno ka sarona ny hira.




