Mampianatra manao sary, atsy. Mampianatra mitendry na mitsoka zavamaneno, aroa… Samy mandroritra izay heveriny fa mety. Misy milaza fa ao anatin’ny hateloana, mahay mitendry feon-kira iray. Ny hafa manambara fa «intelo mianatra ihany ny mpianatra ato aminay dia mahay ny fototra fanaovana hosodoko». Ampahana endrika fampianarana zavakanto misy eto Madagasikara ireo. Tsy misy fandaharam-pianarana iraisana.
Iray amin’ireo antony niteraka izany ny fanaovana ambanin-javatra io zavakanto io. Eo koa ny fiheverana fa zavatra tsotra ny zavakanto ka tsy mila ianarana akory. Tsy vitsy ireo tsy mahalala akory ny tena ilaina ny zavakanto eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana maha olona… Hany ka ny ezaky ny mpampianatra sisa handrasana hitondra vokatra tsara ho an’ny mpianany. Rehefa mifanatrika sy manao fifampitahana anefa ireo mpianatra. Mahatsikaritra ny fahasamihafana. Mahatazana ilay hantsana tsy mampitovy ny fahalalana eo aminy, na mitovy izao aza ny fotoana nianarana. Mila fanarenana ny lesoka tahaka izany mba hananan’ny zavakanto hasina ao anatin’ny fiarahamonina iray manontolo.
HaRy Razafindrakoto




