Seho tao Antsahamanitra : Nahatanteraka fanamby i Melky sy i Firmin

…«20 taona sahady izay… Tonga hanolotra zavatra tsara be ho anareo izahay…», hoy i Firmin, andro vitsivitsy nialoha ny fampisehoana niarahany tamin’i Melky, notontosaina tao Antsahamanitra, omaly tolakandro. Samy nanolotra ny tsara indrindra tany aminy ireto mpanakanto ireto. Tsi­karitra avy hatrany fa tsara fanomanana sy famerenana i Melky sy i Firmin. 20 taona aty aoriana, voatazon’izy ireo ihany koa ilay feo kanto nahafantarana azy hatramin’izay. Vao mainka nisongadina ireo rehetra ireo nandritra ny fampiaraham-peon’izy mianadahy. Na somary vitsy aza ny mpijery. Niaina tao anatin’ny hafanana kosa izay rehetra tonga teny an-toerana. Nihira, nandihy, nitehaka, sns, nanaraka ny teny an-tsehatra. Tanterak’i Melky sy Firmin ny nampanantenaina ny mpitia zavakanto.
Anisan’ny nanamarika ity fampisehoana tetsy Antsaha­manitra ity ny fahaizan’ireto mpanakanto ireto nitazona hatrany ny maha izy azy ny tsirairay. Iray amin’ireny ny fahafehezana ilay feo kanto, matanjaka, afaka manakatra avo, sns. Fantatra fa tao anatin’izay 20 taona izay, nanohy namorona sanganasa vaovao hatrany izy mianadahy. Nisy tamin’ireny no nohiraina nandritra ny seho omaly.
Na nahitana ny sokajin-taona rehetra aza teny An­tsahamanitra. Somary nanatombo kokoa ny isan’ireo tanora nijery. Ireo mitovitovy taona amin’ireto mpanakanto ireto.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: