Mandray andraikitra manoloana ny asa sosialy. Hiavaka ny fiofanana tselatra hampanaovin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany). Hiompana amin’ny lohahevitra «Mpikabary salama sy tomady, antoky ny teny malagasy», ny fampianarana. Hampiofana amin’izany ny Dr. Josso Tiana Tahiriniaina Angelos, tonia misahana ny fampiofanana ny maha olona ao amin’ny Foibe Fi.Mpi.Ma maneran-tany. Amin’ny alalan’ny «Zoom» no hanatanterahina ny fiofanana, amin’ny 30 aogositra izao, manomboka amin’ny 4 ora hariva ka hatramin’ny 6 ora hariva, ora eto Madagasikara.
Lohataona Taom-baovaon’i Madagasikara. Fantatra fa hisy ny fanamarihana io vanim-potoana io eto an-dRenivohitra ny 4 oktobra ka hatramin’ny 6 oktobra izao. 4 oktobra, tanterahina eny amin’ny kianja Masoandro ny hetsika «Iray ihany isika». 5 oktobra, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha, fampirantiana, hira sy dihy nentin-drazana, fanehoana tahirin-kevitra an-tsary maneho ny haren-tsaina. Ny 6 oktobra, fihaonan’ny olobe, eny Anatirova.
Mila mahatazona ny kolontsainy ny Malagasy. Ilay endrika nipoirany, mety ho saro-tadiavina raha tsy eo ireo vatonamelankafatra. Na izany aza, tsy anjaran’ny taranaka aty aoriana ny manova ny fototra. Noho izany, ilaina ny mianatra ny tantara mba tsy ho diso sy hiaina lalandava ao anatin’izay fahadisoana izay… Ny Malagasy, niboboka toaka sa tsia ?




