Nafana ny teny an-tsehatra… Nafana nanaraka izany ihany koa ny mpijery. Nandihy ny teny an-tsehatra… Nanetsika ny vatany sy ny tanany ary ny tongony moramora ihany koa ny iray efitrano… Nanolotra ny kanto ny tarika Ny Voanio…
Tafiditra ao anatin’ireo fampisehoana hoenti-manamarika ny faha-60 taona. Nanatanteraka seho miavaka tao amin’ny CCEsca Antanimena ny tarika Ny Voanio. Nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro, mandra-pilentiky ny masoandro. Nifamatotra akaiky ny mpijery sy ny teny an-tsehatra. Elaela tsy niakatra an-tsehatra teto an-dRenivohitra rahateo ity tarika manana ny maha izy azy.
Ny ankamaroan’ireo hira nokaloina teny an-tsehatra, narahin’ny mpijery avokoa. «Faly aho satria tonga ianao ilay nandrasako», hoy ny tononkira. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny mpijery ny zava-nisy teny an-tsehatra na tamin’ny fizarana voalohany na tamin’ny tapany faharoa. «E e Ranomasina a», nitopatopa nanaraka ny teny an-tsehatra ny mpijery rehetra.
Anisan’ny nampihetsi-po ny mpijery ny nahita sy nahatsapana ary nahare fa tafaverin’ireto tanora solofo sy dimbin’ny tarika Ny Voanio ireto ny kanto nataon’ireo ray aman-dreniny. Naverin-dry zareo tsy misy tomika. Voatazona tsara ilay fahaiza-mifehy ny feo, ny fihetsika, ny fandrindrana, sns. Tahaka izany koa ny fitendrena zavamaneno.
Nampiavaka ny fampisehoana, omaly, ny fampahafantarana an-tsary mihetsika ny famintinana ny tantara nodiavin’ny tarika Ny Voanio tao anatin’izay 60 taona izay. Tao anatin’izany ny nitsofan-drano azy ireo ka nahatonga ny fitazonana hatrany ny anarana «Ny Voanio». Horaiketina anaty boky ihany koa io tantara
io.
Nandritra ity fampisehoana an-tsehatra ity no nanamafisan’ny tarika fa hitohy hatrany ny hetsika ho fanamarihana ny faha-60 taonan’ny Ny Voanio. Vahiny nasaina manokana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena i Salomon sy i Narisoa. Nampitambolona tsiahy tany amin’ny taona maro lasa. Namoha ny fahiny teny amin’ny endrik’ireo efa zokinjokiny nanatrika ny seho teny an-toerana.
HaRy Razafindrakoto




