Sabotsy 6 septambra, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Hiaka-tsehatra miaraka i Erick Manana sy i Joël Rabesolo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan-kira hoentin’izy ireo eny an-tsehatra ny sanganasan’i Erick Manana, ny an-dRazilinah ary ny tarika Feo Gasy. Nasaina manokana i Kôlibera sy Benny ary i Nini. Fampisehoana anisan’ny andrasan’ny mpankafy gadona « gasigasy ».
Madagascar Mozarteum. Ao amin’ny Salle l’Horloge (Grand Café de la Gare) no hifamotoana amin’ ny mpankafy mozika klasika i Ilo Rakoto. Hanatanteraka « Diner Symphonique » eny an-toerana ity tanora andrarezina eo amin’ny fitendrena ny zavamaneno piano ity, ny alatsinainy 15 septambra, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Ny fizarana voalohany no ahitana an’i Jino Ramanambohitra kalaza amin’ny fitendrena gitara.
Velakevitra momba ny « fitiavana ». Anisan’ny hiavaka amin’ny fahita hatramin’izay ity velakevitra karakarain’ny Famoloana Telozoro ity. Olona roa no hitondra lohahevitra roa samy hafa, kanefa, mety hifameno ihany koa. I Mi Ramanitra (poeta, mpampianatra, mpanentana fandaharana), hitondra ny lohahevitra: « Ny herin’ny teny ao amin’ny fitiavana ». I Andrianimerina Hobiana (mpahay simia) kosa no hamelabelatra ny lohahevitra : « Ny simian’ny fitiavana ». Ao amin’ny Tranombokim-pirenena, Efitrano Dox, no hanatanterahin’izy ireo izany, ny 3 septambra manomboka amin’ny 2 ora sy sasany.




