Voafehin-javatra maro: Tsy mivelatra araka ny tokony ho izy ny zavakanto

Amin’ny fotoam-pahavaratra, tsy misy ny fampisehoana rindran-kira eny amina sehatra ankalamanjana. Mirotsaka ny orana. Tsy misy ny adin-kiragasy fa lasa mirotsaka eny an-tsaha ny mpanao hiragasy. Tsy ampy na lafo be ny vidin’ny fitaovana. Mipitrapitra fotsiny ny mpanao sary hosodoko. Tsy misy ny sehatra na kianja hilalaovan’ny ankizy. Tsy ho fantany mihitsy ny atao hoe miara-monina…
Voafehin-javatra maro ta­haka izany ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Ha­tramin’izao, mbola tsy afa-bela amina tranga tahaka ireo. Tsy ampy ny fikarakarana? Tsy mijanona amina maha mpanakanto azy ny mpiantsehatra fa nanjary maro sahanina? Mbola ny fitadiavana ny hohanina anio aloha izay vao ny ampitso sy ny ho avy manaraka?
Ny fametrahana ny zavakanto sy ny mpanao zavakanto eo amin’ny toerana sahaza azy no anisan’ny vahaolana mila katsahina haingana. Ny mpamorona, mamorona (hira, feon-kira, asa tanana, tononkalo…). Ny mpitendry manao izay hahatsara hatrany ny fahaizany zavamaneno. Ny Mpanao hosodoko, manana fotoana mitohy hitazonany ny penina fandokoana, sns.
Hijanona ho nofinofy ihany anefa ireo raha tsy misy lamina sy rafitra mazava hoenti-mampivelatra ny zavakanto sy ny mpanakanto. Amin’izao vanim-potoana izao, mbola maro ny fanontaniana saro-baliana. Iray amin’ireny ny « fa tsy mba manana ny zavakantony ve ny Malagasy?» sy ny « ambin-javatra ve no hiheveran’ny Malagasy ny atao hoe zavakanto? ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: