Boky : Hivoaka ny « Valihan’Ikaky » I

Efa nisy ny famoahana teo aloha. Saingy, « tsy maintsy naverina natonta ny boky « Valihan’Ikaky », noho ny antony lehibe vitsivitsy. Nampiakatra ambony be ny vidiny ny nisian’ ny takelaka maro tao anatiny. Ny hampivelatra ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy no anisan’ny tanjona kendrena. Misy fandraisan’anjaran’ireo mpanoratra tanora eo anivon’ny foibe fikarohana momba ny mozika « Valiha Académie » ihany koa natsofoka ao anatiny. Nohatevenina kosa ny tenim-pirenena nanoratana azy, amin’izao endriny izao », hoy i Ikaky, mpanoratra ny boky. Teny malagasy sy frantsay ary anglisy. Noho izany, nozaraina 7 ilay boky « Valihan’Ikaky » teo aloha ka izao hivoaka tsy ho ela ny boky voalohany.
Nampitomboina kosa ny fampahafantarana ny tontolon’ny « zavapanahy » raiketin’ny valiha. Ny fifamatorany amin’ny fiainan’ny Malagasy. « Lova sarobidy ho an’ny taranaka Malagasy sy ho an’ny fivelaran’ny zavakanto malagasy eo amin’ny sehatry ny fikarohana no anisan’ny antony nanao­vana izany », hoy hatrany ny mpanoratra.
Raha tsiahivina, ankoatra ny fianarana mozika. Nandalina manokana momba ny tontolon’ny « zavapanahy » sy ny tontolon’ny valiha, ny mpanoratra ity boky ity. Nambarany fa isaky ny laharan’ny boky no hidirana lalindalina hatrany amin’ ny fahalalana. Noho izany, tsy azo dinganina ny laharan’ny boky, satria, tahaka ny mandingana fahalalana izay manao izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: