Fandresena ara-diplomatika : Tafaverina amin’i Madagasikara ny kabeson’ny Ampanjaka Toera

Tafiditra ao anatin’ny maherifon’ny firenena ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika notapahin-doha ny taona 1897. Nentin’ny mpanjanaka tany aminy ny kabeson’izy ireo… Omaly no namerenan-dry zareo izany.

128 taona aty aori­an’ ny namonoana sy nanapahan-doha azy (alin’ny 29 aogositra 1897). Natolotry ny fanjakana Frantsay tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao Paris Fran­tsa, ho an’i Madagasikara, ny kabeson’ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roa lahy niaraka taminy… Midika ho fandresena ara-diplomatika ho an’i Madagasikara sady voninahitra sy hasin’ny tanindrazana, araka ny nambaran’ ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, izay nitarika rahateo ny delegasionina malagasy any an-toerana. Nohamafisiny fa « tafaverina amin’ny fomba ofisialy amin’i Madagasikara ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, araka ny ezaka sy ny fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry, tamin’ny 6 novambra 2020 ». Fantatra fa ao anatin’ny voninahitra fara-tampony no andraisana azy ireo eto Madagasikara ma­nomboka ao Antananarivo Renivohitra ka hatrany amin’ ny toerana hanakambanana azy amin’ny taolambalony any Menabe. Raisina amin’ny fomba mendrika sy sahaza ny maherifon’i Madagasikara.
Ny faramparan’ny taonjato faha-19 ny vanim-potoana nan­jakan’ny Ampanjaka Toera. Fantatra fa vao 13 taona monja izy dia efa nasandratra ho mpanjaka ary nitantana am-polo taonany ny fanjakana Sakalava. Nanana fitiavan-tanindrazana lehibe izy. Tsy nanaiky lembenana tamin’ny nataon’ny mpanjanantany Frantsay.
Ampanjaka Toera, mpanjaka matsilo, mpitari-tafika ni­koizana sy natahorana. Na­nana fahasahiana niatrika ny basy aman-tafondron’ny tafika Frantsay. Ny fanoherana no­tarihiny no anisan’ireo afo fa­rany nanakana ny fakana tanteraka an’i Madagasikara ny taona 1897, taorian’ny nandefasan’ny mpanjanaka sesitany ny Mpanjaka Ranava­lona III.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: