Nosokafana, omaly, tao amin’ny Institut de civilisation musée d’art et d’archéologie université d’Antananarivo (ICMAA) Isoraka ny Labdihy. Hetsika manasongadina ny tontolon’ny dihy sy ny asa famoronana ao anatiny. « Tetezambita velona », anarana sy lohahevitra isaloran’ity andiany faha-11 ity.
Hanambatra talenta roa ananan’i Maromaitso sy Hanitriombalahimbaviantitra. I Maromaitso (Ariry) eo amin’ny tontolon’ny famoronana akanjo sy zaitra. I Hanitriombalahimbaviantitra maneho ny asa famoronana eo amin’ny ravaka sy angovo. « Ny fipetraky ny ravaka dia efa manome hery sy onja, sahady any anaty atidoha. Izany hoe, manandrana manangana tontolo iray izahay », hoy i Maromaitso. Nohamafisiny fa « raha mpanao soradihy ianao tsy tokony hionona fotsiny amin’ny fitadiavana soradihy fa azo atao ny miankina amin’ny tontolo iray. Aza hadinoina fa avy amin’ny asa famoronan’ny olona ireny zava-miavaka sy kanto ireny ».
Tabilao na fafana miisa 6 no anehoan’izy mirahalahy ny fitambaran’ny sanganasany. Mifanaraka amin’izany ny isa sy ny loko ampiasaina. Fafana voalohany, loko maitso, iray ihany ny tabilao. Ny fafana faharoa, tabilao roa, mitondra ny loko mena… Fafana fahenina, tsy ahitana tabilao mba ahafahana miverina sy mihodina tsy tapaka (hery sy onja) any amin’ ny tabilao voalohany. Haharitra herinandro ny Labdihy fa iray volana eny an-toerana kosa ny fampirantiana.
HaRy Razafindrakoto




