TARATRY ny KANTO

Alahady 14 Septambra izao, fampisehoana lehibe ao Antsahamanitra hiarahan’ireo tarika na antoko mpihira evanjelika manana ny maha izy azy avy eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Ahitana Ny Koraita Manarintsoa Finoana, Ampifitia, Hosana Ambohijatovo Fitiavana, Tanora Masina Itaosy ary ny Chorale Trompe­tran’ny Polisim-pirenena. Rindran-kira tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-15 taonan’ny Chorale Trompetran’ny Polisim-pirenena. Hisy ihany koa ny fifaninanana karaoké evanjelika miaraka amin’ny Moozik, hifanindran-dalana amin’ity hetsika ity.

Mbola sarotra ny mandroso? Tsy ilay fahaiza-mihira na mandihy na manao hosodoko, sns, no tsy ananan’ny Malagasy fa ny fahaiza-mampita azy ireny ho eny amin’ny fiarahamonina. Tsy tokony ho amin’ny alalan’ny fampisehoana na fampirantiana ihany no hanatanterahina izany fa amin’ny alalan’ny firotsahana eny anivon’io fiarahamonina onenan’ireo mpanakanto io. Firy amin’ny Malagasy mpanakanto (mpihira, mpanoratra, mpitendry zavamaneno…), ohatra, no fantatry ny mpiara-monina aminy? Tsy azo atao, hono, izany ho an’ny olo-malaza? Fa maninona?

Tsy ampy ny mandala fotsiny ny nentin-drazana. Na inona na inona ny zavatra nentin-drazana lalaina. Tsy tokony hajanona amin’ny tena irery izany mba tsy ho sanatria maty momoka. Mahay manandro, misikidy, milalao fanorona… Amin’ny fomba ahoana no handovan’ny taranaka any aoriana ireny soatoavina sy kolontsaina lehibe dia lehibe ireny raha tsy ampitaina fa kobonin’olona na antokon’olona vitsy fotsiny? Mila mampita fahalalana izy ireny. Mety hiteraka fahalevonana tanteraka. Na, fiovana amin’ny ampahany na manontolo ny tsy fanaovana izany. Io no antony iray mafonja nahavery an-dalana ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Izay mahay mitazona. Ny tsy mahay, miandry tolorana.

Partager sur: