“Tana Fashion Days by Yas”: Roa andro hivelaran’ny lamaody malagasy

Fotoana manaraka hamirapiratan’ny foron-damaody sy ny haihaingo. Hotontosaina ny 26 sy 27 septambra izao ny “Tana Fashion Days by Yas”, araka ny fanambarana ofisialy natao omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Andraharo. Ham­piray amina toerana sy fo­toana iray ireo mpisehatra rehetra amin’ny haihaingo sy ny lamaody ny tanjona. Eo ireo mpamorona, mpilatro, mpanaingo, mpaka sary, mpiserasera sns, hiaraka hiketrika ny haihaingo ho an’ny rahampitso.
“Efa ela no nisy teto Mada­gasikar ny indostrian’ny haihaingo sy ny lamaody, indrindra taorian’ny fiakaran’ny orinasa afaka haba ny taona 1990. Nangingina anefa izany tato ho ato ka tianay ny hamoha izany indray amin’ity fo­toana ity”, hoy i Elia Ravelo­manantsoa, izay mpanorina ny “Festival Manja”, hetsika namirapiratra ho an’ny lama­ody tamin’izany fotoana.
Maromaro ny fanadaharam-potoana mandritra ireo roa andro an-damaody ireo. Eo ny adihevitra isan-karazany sy araka ny lohahevitra. Arahina fizarana traikefa ha­trany ireny, satria hisy vahiny maro matihanina eo amin’ny sehatry ny lamaody no ho avy handray anjara. Hatokana hanehoana ireo forona vaovao eo amin’ny sehatry ny haihaingo kosa ny andro faharoa. Hisy ny filatroana iarahana izay hanampy tosika ny varotra fampirantiana.

Zo ny Aina

Partager sur: