Tsara ny fifaninanana… Saingy, mila tazonina ny vokatra « mendrika » azo avy amin’izany. Raha mijanona eo amin’ny fifaninanana, ho afon’ampombo ihany. Arahina akaiky ny zotran’ireo mpanakanto na talenta vao misondrotra. Ilain’izy ireny ny torohevitra, ny fanoroan-dalana, sns. Io no tsy ampy ho an’ireo mikarakara fifaninanana eo amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Ilain’ ireny talenta vao ireny ny fanampiana hahatongavany any amin’ny nofinofy na tanjona tiany hotratrarina.
Anatra ho an’ny rehetra. Tsy tokony ho tapaka maharitra loatra ny fisehoan’ny mpanakanto manoloana ny mpijery, na mpitia ny sanganasan’izy ireo. Ilaina ihany ny fampahatsiahivana eny antsefantsefam-potoana. Fampisehoana, fampirantiana, atrikasa, fifanakalozana, fampiasana ireo tambajotran-tserasera, sns. Afaka ampiasaina avokoa izy ireny. Misy aza fotoana heverina ho kely fa manan-danja. Mbola tokony ho tazana any amin’ireny ny mpanakanto.
Manatombo ireo nandalina. Tsara ny nandova fahalalana avy any amin’ireo ray aman-dreny. Fa mbola tsara kokoa noho izany ny mahavita manatevina azy ireny amin’ny alalan’ny fianarana… Tsy ampy eo amin’ny tontolon’ny zavakanto malagasy io. Matetika, ireo lova kanto navelan’ny teo aloha, noheverin’ny taranaka fa sady mora ny mamerina azy no tsotra ny mitazona izany eo aminy. Mila mandalina izay vao mahavita ny tontosan’ireo ray aman-dreny. Izany hoe, afaka mametraka tahaka azy ho an’ny taranaka ihany koa.




