Ny teny no nohariana izao tontolo izao, raha ny fanazavan’ny mpikaroka maro. Ny teny malagasy, indray, manana hasina lehibe noho ny nitandreman’ireo teo aloha ny lamina sy ny lalàna voajanahary mifandraika amin’izany teny izany. Taona 1896, nanomboka nihena tsikelikely io hasina io. Tsy mbola tazana loatra anefa izany, satria, mbola teo ireo ray aman-dreny nahatahiry…
Tranga iray tsy tazana tao anatin’ny fivoaran’ny teny malagasy, anefa, ny fahasimban’ny tontolo iainana na ny tontolo manodidina. Nisy vokany goavana be izy io. Iray amin’ireny ny nahavery teo imason’ny taranaka taty aoriana ny anarana. Maro no tsy mahafantatra intsony ny ahitra, bozaka, volotsangana, zozoro, erana, harefo… Ny biby tahaka ny ombimanga, salobonkomana, fanihy…
… Na, fantatry ny Malagasy taty aoriana ihany ireo fa hainy amin’ny anarana vahiny. Tsy misy hasiny aminy sy amin’ny fiarahamonina ary amin’ny firenena iray manontolo anefa ireny. Ny anarana « volobe » izay manana hasina mampitolagaga, ohatra, nanjary « bambou ». Anarana tsy midika na inona na inona eo amin’ny Malagasy.
… Raha tafarina amin’ny fahasimbany ny tontolo iainana. Hiarina manaraka izany ihany koa ny teny malagasy. Hahafantatra « zavatra » maro ny taranaka aty aoriana. Maro be ny hevitra, hasina, fahendrena, sns, fonosin’ireny tontolo iainana simba ireny no very… Mila fanarenana haingana.
HaRy Razafindrakoto




