Taorian’ny diany tany ivelany. Manohy ny fampisehoana eto an-tanindrazana i Zook Davids. Anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny FJKM Hebrona Anosizato izy sy ireo mpiray sehatra aminy. Tsy ho ela, hitodidoha ho an’ny Mahajanga indray ny tarika. Ankoatra ny maha seho sy hira evanjelika. Mampiavaka ny fampisehoana miaraka amin’ity mpanakanto tanora manana ny mampiavaka azy ity ny fanentanana. Tsy amin’ny alalan’ny fahaiza-miteny ihany fa eo ihany koa ny fihetsika sy ny fomba fiakanjo.
Zook Davids, sady mpanakanto no mpanabe no mpampianatra rahateo. Ireo no mitambatra isaky ny manatanteraka fampisehoana an-tsehatra izy sy ireo mpandihy ary mpitendry miaraka aminy. Ny ankizy sy ny tanora ary ny ray aman-dreny, samy mahazo ny anjara fanabeazana avy amin’ireo sanganasany avokoa.
Marihina fa ankoatra ny fiteny malagasy. Mampiasa ny teny vahiny sy gadon-kira maro (milamina, mihetsiketsika) ny tarika Zook Davids. Ampidiriny ao anatin’ny fanentanana ihany koa ny fahaiza-mandaha-teny miaraka amina gadona mifanaraka amin’izany. Nomen-dry zareo lanja hatrany ny maha fanabeazana ny hira fa tsy nanjonony eo amin’ny fahafinaretan’ny sofina fotsiny.
Mba hahatafita izay fanabeazana any amina olona maro. Amin’ny ankapobeny, tsy misy vidim-pidirana ny seho atolony.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto




