TARATRY ny KANTO

Lany sahady ny tapakilan’ny AmbondronA! Nanao fanambarana ny tarika, omaly, fa efa tsy misy amidy intsony ny tapakila rehetra, ho an’ny seho faharoa ny alahady 21 septambra. Mbola misy vitsivitsy kosa ho an’ny seho voalohany ny zoma 19 septambra, saingy hisy fandaminana vaovao amin’ny fanjifana izany. Mahakasika ny seho indroa miantoana izay hataon’ny AmbondronA ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ireo. Mbola manaporofo ny maha kalaza ny tarika izany.

Nodimandry koa i Chayd, mpanafana lanonana. Hatairana avokoa ny an’ireo namany ao anatin’ny mozika raha naheno fa lasa ihany koa ity mpihira sy mpanentana lanonana anisan’ny manan-talenta ity. Manana feo miavaka sy manintona izay i “Magnafo Chayd”, araka ny fiantsoan’ny namany azy. Nifanao indray andro ny nahalasanany sy i Mami “Degany”, izay raha ny filazan’ireo namany dia mbola niara-nanafana lanonana izy mirahalahy ny sabotsy lasa teo.

Namoaka ny “Nous deux” i Maheva. Tovovavy mpanakanto mpihira, teratany malagasy saingy monina any France izy. Namoaka ny rakikirany voalohany, izay mirakitra hira 12 i Maheva, izay efa azo jifaina amin’ireo tranonkala mandahatra ireo hirana mpanakanto. Taorian’ny nisongadinany nandritra ny World Championships of Performings Arts tany Los Angeles ny taona 2019, nisokatra ny lalany teo amin’ny mozika. Hirariana ny hahatongavan’i Maheva aty Madaga­sikara, hizara ny mozikany

Partager sur: