Raokandro, anisan’ny ananan’ny Malagasy fahalalana maro. Amin’ny ankapobeny, mifototra amin’ny famahana olana tahaka ny aretina ny fampiasana azy. Rehefa nahazo vahana ny fampiasana ny ody na fanafody nentin’ny vahiny. Nahazo laka teto Madagasikara ireo karazam-pivavahana nampidirin-dry zareo… Niala tsikelikely tamin’ny fampiasana ny raokandro ny Malagasy.
« Tsy azo lazaina ho vitsy, kanefa, tsy maro ihany koa ny mividy raokandro amin’izao fotoana. Mbola maro ny menatra manatona ety. Izay tonga indray, toa menatra ny hifanakalo hevitra. Menatra ny hanontaniana… Ao aza ireo tsy sahy ka maniraka olon-kafa hividy », hoy i Haja, mpivarotra raokandro.
Raha ny fanazavany, mbola maro amin’ny Malagasy ihany koa no tsy mahalala fa ankoatra ny tsy fahasalamana, afaka mamaha olana hafa ny raokandro. Io antony io ihany koa no mahatonga ny Malagasy tsy tazana loatra eny amin’ny mpivarotra azy io. « Raha mitombo isa sy miha fetsy hatrany ny mpangalatra. Ny raokandro afaka hatao kalo, fanidy, famato… Tsy mamono mahafaty akory ireo fa hoentina mitaiza sy manabe ary manoro ny lala-mahitsy. Tsy mety ny mangalatra. Aza hoentina ny tsy anao », hoy izy.
Anisan’ny namparisarisa ny fampiasan’ny Malagasy ny raokandro kosa ny fisian’ireo misandoka. Ao koa ireo tsy mahafehy azy ka mety tsy handeha amin’ny laoniny ny hatao.
HaRy Razafindrakoto




