Miroborobo fatratra ny fampiasana ny tambajotran-tserasera eto Madagasikara. Misy fepetra tokony harahina anefa raha tiana ny hahazo vokatra tsara avy amin’izany, raha ny voarakitra ao anatin’ny tetikasa « Mahasaky ».
Omaly, tao amin’ny Le Pavé Antaninarenina, no nanakatonana ilay tetikasa « Mahasaky » niarahana tamin’ny ONG Human Development Action (H.D.A) sy ireo mpiara-miasa aminy tahaka ny Electoral Institute for Sustanable Democracy in Africa na EISA Madagascar. Tetikasa « Mahasaky », nifantoka tamin’ny fampiasana ny tambajotran-tserasera araka ny tokony ho izy, izay miompana kokoa any amin’ny tanora. Nihazakazaka be ny fitombon’ny isan’ny mpampiasa internet eto Madagasikara,
ka ny tanora no maro amin’ ireo. Taona 2022, nahatratra 2 800 000. Taona 2025, nitombo ho 6 600 000 izany. Ny fahitana io no antony nisian’ny « Mahasaky », raha ny fanazavan’Andriatiana Judyh, lehiben’ny tetikasa.
Fanadihadiana natao
Mirona any amin’ny fifaneraserana sy fialamboly ny fampiasan’ny tanora ny tambajotran-tserasera. 5% ihany no manao izany ho loharanom-baovao. Ny tetikasa « Mahasaky » no nanentanana amin’ny fampiasana azy io mba hanehoana hevitra. Hanehoana ny maha olom-pirenena koa, indrindra fa ho an’ny tanora. Iadiana amin’ny vaovao tsy marina izay miely amin’ io fitaovam-pifandraisana io. Maro rahateo no tsy mbola mahafantatra ny tombontsoa sy izay mety ho voka-dratsin’ ny fampiasana ny internet.
Nandalo dingana telo ny tetikasa. Fanadihadiana teny anivon’ny sekoly (kolejy – Oniversite). Famoriana tanora ka nakana ny heviny momba ny fampiasana ny internet. Fampitana hafatra sy fanentanana. Nisy ihany koa ny fanatontosana horonantsary ho fampitan-kevitra, indrindra ho an’ny tanora. Anisan’izany ny fampiasana finday be loatra. Ny mahatonga ny tanora ho tafajanona maharitra eo amin’ny tambajotran-tserasera. Ny fomba fanamarinam-baovao, ny fiarovana ny angon-drakitra, ny fomba hatao hahaizana mifantina ny zavatra tokony halefa, sns.
HaRy Razafindrakoto




