North & Center : 30 taona tanaty rap gasy

Anisan’ireo zokiny indrindra. Feno 30 taona amin’ity mantsy no nisian’ny tarika North & Center, izay anisan’ireo nivoy ny Rap gasy nohiraina ihany koa tany amin’ny taona 1995. Homarihina amina seho goavana izany, izay hotontosaina ny 5 oktobra izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina. Nisy ny fampahafantarana omaly, izay nizaran’ny tarika ny andinindininy amin’ny seho, sy nanaovana jery todika kely izay taona maro lasa izay.
Nanana ny nampiavaka azy, indrindra tany anatin’ny to­non­kira ny North & Center. Nanamarika vanim-potoana maro ry « Revy sa ditra », « Tsy digniko », « Mahatsiaro », « Magnigny », Voady, sns. Ilay fampivadiana ny fiteny avy tavaratra sy ny avy eto afovoan-tany, nakana ny anaran’ny tarika, no tena nampiavaka an’i KD sy i Murphy hatramin’izany. Ho fanehoana ny firaisankina, hanotrona azy ireo ry 8 Mena Maso, Ray Lasy, Donat, Sphynx, Samantha & Kayah, Psykopasy, Da Hopp, Kilowatt, Takodah & Ngah-B, Big Jim Dah, TST BAZ, Dou­blenn, Buddha El Taga, Krutambul, Mr Sayda, Meizah, sns, manditra io seho io.

Zo ny Aina

Partager sur: